Ezekiela 48:15-21 MG1865

15 Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an'ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.

16 Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.

17 Ary ny amin'ny tany fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin'ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.

18 Ary ny lavany sisa mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin'ny anjara masina voatokana izany; ary ny vokany hohanin'ny mpiasa ao an-tanàna.

19 Ary izay mpiasa ao an-tanàna avy amin'ny firenen'Isiraely rehetra no hiasa azy.

20 Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masina voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.

21 Ary ho an'ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina amin'ny anjara voatokana hatramin'ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina hatramin'ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin'ireo anjaran'ny sasany, ho an'ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny trano fitoerana masina no ho eo aforoany.