10 mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an'Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin'ny zanany.
11 Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin'ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
12 Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon'Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
13 Ary tamin'izany Tatenay, governora amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin'ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain'i Dariosy ho any aminy izany.
14 Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia.
15 Dia vita io trano io tamin'ny andro fahatelo tamin'ny volana Adara tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy mpanjaka.
16 Ary ny Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin'ny fahababoana, dia nitokana io tranon'Andriamanitra io tamin'ny fifaliana;