14 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita.
15 Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,
16 ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita
17 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
18 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita.
19 Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
20 Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny.