19 Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
20 Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny.
21 Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.
22 Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
23 Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
24 Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.
25 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.