21 Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
22 Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
23 fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),
24 afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.