10 Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
11 Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
12 ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
13 Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
14 Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
15 Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
16 Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany;