12 Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.
13 Indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano;
14 koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
15 Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
16 Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.
17 Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho.
18 Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.