20 Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.
21 Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny.
22 Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
24 Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
25 Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
26 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.