1 Ary nisy mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon'i Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany Gerara.
2 Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin'ny tany izay holazaiko aminao.
3 Mivahinia eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao;
4 dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany;
5 satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
6 Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.
7 Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.