14 Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy.
15 Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.
16 Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;
17 dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
18 Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
20 Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.