19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
20 Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
21 Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko.
22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
23 Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
24 Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?