29 Manankery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
30 Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon'ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro ?
31 Dia namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
32 Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
33 Ary Labana niditra tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
34 Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.
35 Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.