23 Dia nitsangana tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitàna tao Jaboka izy.
24 Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
25 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro.
26 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
27 Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
28 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
29 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery.