9 Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
10 Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin'ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
11 Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
12 Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
13 Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman'osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman'osy rehetra.
14 Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza, mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira.
15 Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason'itompokolahy aho.