4 Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.
5 Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
6 Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
7 Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
8 Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
9 Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
10 ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.