28 Izany dia ilay efa nolazaiko tamin'i Farao teo hoe: Izay efa hataon'Andriamanitra no asehony amin'i Farao.
29 Indro, hisy fito taona zina indrindra eran'ny tany Egypta rehetra;
30 ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin'ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;
31 ary ny fahavokarana eo amin'ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
32 Ary naverina indroa ny nofin'i Farao, satria efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin'Andriamanitra faingana.
33 Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.
34 Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin'ny vokatry ny tany Egypta amin'ny taon-jina fito.