18 Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao ianao.
19 Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
20 Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.
21 Ary ianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.
22 Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.
23 Ary hoy ianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.
24 Ary rehefa tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin'itompokolahy.