9 Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy.
10 Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny.
11 Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.
12 Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny faralahy no niafarany, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.
13 Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
14 Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin'ny tany teo anatrehany.
15 Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?