22 Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
23 Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
24 Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo.
25 Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao.
26 Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.
27 Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
28 Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.