1 Ny fivavak'i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
2 Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan'ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan'ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.
3 Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana. [Sela] Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
4 Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin'ny tànany; Ary ao no fieren'ny heriny.
5 Eo alohany no andehanan'ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.