6 Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
7 Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.
8 Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
9 Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.
10 Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
11 Nomeko mpanjaka ianao tamin'ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin'ny fahavinirako.
12 Voafehy ny helok'i Efraima, voatahiry ny fahotany.