Hosea 7 MG1865

1 Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.

2 Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.

3 Amin'ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin'ny laingany ny mpanapaka.

4 Samy mpaka vadin'olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin'ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.

5 Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.

6 Fa entin'ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin'ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.

7 Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.

8 Efraima dia miharoharo amin'ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.

9 Lanin'ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.

10 Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.

11 Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria.

12 Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.

13 Lozan'ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.

14 Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.

15 Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,

16 Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.

toko

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14