14 Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
15 Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
16 Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah toy ny zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.
17 Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
18 Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.
19 Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.