11 Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.
12 Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
13 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
14 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
15 Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.
16 Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
17 Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?