25 Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony
26 Izany no fikasana ny amin'ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin'ny firenena rehetra.
27 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
28 Tamin'ny taona nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
29 Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran'afo manidina.
30 Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.
31 Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany akory ny miaramilany.