1 Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,
2 Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin'ny ony maro ny taniny.
3 Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin'ny hainandro fararano.
5 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.