1 Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.
2 Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
3 Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
4 Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.