9 Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan'i Davida; Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory ambany ianareo.
10 Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
11 Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
12 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
14 Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
15 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa, ka ataovy hoe: