2 Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
4 Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
5 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.
6 Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.
7 Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan'ny marina.
8 Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.