3 Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin'izay lalana tsy mbola nodiavin'ny tongony.
4 Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
5 Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
6 Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin'ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
7 Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
8 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako,
9 Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: