12 Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
13 Eny, hatramin'izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
14 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.
15 Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
16 Izao no lazain'i Jehovah, Izay manao lalana eny amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny rano manonja,
17 Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
18 Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.