5 Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.
6 Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
7 Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
8 Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan'anaka.
9 Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
10 Fa nitoky tamin'ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
11 Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.