1 Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
3 Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin'ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
4 Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.