2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.
3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.
4 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.
5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko.
6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara.
7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.
8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.