4 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela.
5 Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo,
6 Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo.
7 Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
8 Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
9 Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.
10 Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.