4 Dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany,
5 Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
6 Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo
7 Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin'ny havoana; eny, hamatra ny valin'ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
8 Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
9 Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
10 Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian'omby, ho an'ny oloko izay nitady Ahy.