1 Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina,
2 izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany,
3 sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.
4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.
6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.