14 Hitsahatra tsy ho eo amin'ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan'i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin'ny tany hafa?
15 Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an'ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin'ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin'ny sakeli-dalana madinika, dia amin'ny lalana tsy voavoatra,
16 Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.
17 Toy ny fampielin'ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan'ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin'ny andro hahitany loza.
18 Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
19 Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko
20 Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.