2 dia mivoaha ho any amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,
3 ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny
4 satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an'andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan'ny Joda, sady efa nameno ran'ny marina ity tanàna ity
5 ary nanorina ny fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
6 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
7 Ary hofoanako amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.
8 Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.