13 Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.
15 Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny.
16 Izao no lazain'i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny.
17 Ary misy fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray.
18 Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
19 Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain'ny tsinin'ny fahatanorako.