1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara.
2 Fa tamin'izany no nanaovan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan'ny trano fiambenana, izay teo amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda.
3 Fa Zedekia, mpanjakan'ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;
4 ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan'ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;
5 ary ho any Babylona no hitondrana an'i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin'ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.
6 Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
7 Indro Hanamela, zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.