Jeremia 36:26-32 MG1865

26 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremeia, zanak'andriana, sy Seraia, zanak'i Azriela, ary Selemia, zanak'i Abdela, hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin'i Jehovah izy roa lahy.

27 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, taorian'ny nandoroan'ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan'i Baroka avy tamin'ny vavan'i Jeremia, nanao hoe:

28 Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin'ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda.

29 Ary ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto?

30 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian'ny hainandro amin'ny antoandro ary ny fanala amin'ny alina.

31 Ary hampijaliko izy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.

32 Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.