Jeremia 39:1-7 MG1865

1 Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema ka nanao fahirano azy;

2 ary nony tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),

3 dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona.

4 Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy.

5 Fa ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.

6 Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin'ny Joda koa dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona.

7 Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona.