18 Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin'ny ainao.
19 Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko.
20 Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
21 Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon'anjomara?
22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
23 Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;
24 Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;