21 Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon'anjomara?
22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
23 Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;
24 Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;
25 Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;
26 Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan'i Jehovah, dia teo anoloan'ny firehetan'ny fahatezerany.
27 Fa izao no lazain'i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.