12 dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin'Isimaela, zanak'i Netania ary hitany teo amoron'ny kamory ao Gibeona izy.
13 Ary ny olona rehetra izay tao amin'Isimaela, nony nahita an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
14 Ary ny olona rehetra izay nentin'Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an'i Johanana, zanak'i Karea.
15 Fa Isimaela, zanak'i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an'i Johanana ka lasa nankany amin'ny taranak'i Amona.
16 Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
17 ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.
18 tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.