Jeremia 44:2-8 MG1865

2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra; ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao aminy,

3 noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin'ny nandehanany handoro ditin-kazo manitra sy hanompo andriamani-kafa izay tsy fantany, na iza, na ianareo, na ny razanareo.

4 Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany.

5 Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin'ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa.

6 Ka dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan'ny Joda, sy ny teny amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny amin'izao anio izao.

7 Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin'ny Joda tsy hahamisy miangana anareo,

8 noho ny ampahatezeranareo Ahy amin'ny asan'ny tananareo sy amin'ny andoroana ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa any amin'ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany?