4 Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora.
5 Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao?
6 Indrisy ry sabatr'i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.
7 Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.