1 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ny mpanjakan'ny Joda sy ny taolan'ny lehibeny sy ny taolan'ny mpisorona sy ny taolan'ny mpaminany ary ny taolan'ny mponina any Jerosalema,
2 ka haeliny eo anatrehan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin'ny tany.
3 Ary ny sisa rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
4 Ary koa, lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
5 Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.
6 Nihaino Aho, ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin'ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.
7 Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.