13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.
14 Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
15 Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.
16 Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
17 Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
18 Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
19 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.